-
2 Mpanjaka 20:16-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dia hoy i Isaia tamin’i Hezekia: “Henoy ny tenin’i Jehovah:+ 17 ‘Ho avy ny andro hitondrana an’izay rehetra ato an-tranonao* any Babylona.+ Hoentina any koa izay rehetra notehirizin’ny razambenao hatramin’izao. Tsy hisy na inona na inona ho tavela’, hoy i Jehovah. 18 ‘Hisy hoentina any koa ny zanakao lahy izay haterakao,+ ka ho lasa tandapa any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona.’”+
-