-
2 Tantara 36:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.
-
-
Jeremia 25:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “Nandritra izay 23 taona izay i Jehovah no niteny tamiko, nanomboka tamin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josia+ zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’izao. Ary efa niteny anareo imbetsaka* aho, saingy tsy nihaino ianareo.+ 4 Ary nirahin’i Jehovah tany aminareo ny mpaminany mpanompony rehetra. Imbetsaka izy no* naniraka azy ireny tany aminareo, nefa tsy nihaino ianareo na nanongilan-tsofina.+
-