FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 8:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Tsy hadinon’Andriamanitra* anefa i Noa sy ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra niaraka taminy tao anatin’ny sambofiara.+ Dia nasian’Andriamanitra rivotra nitsoka teto ambonin’ny tany, ka nanomboka nihena ny rano.

  • Eksodosy 14:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany.+ Ary nasian’i Jehovah rivo-mahery nitsoka avy any atsinanana, nandritra ny alina manontolo, ka nisintona ny ranomasina. Dia lasa tany maina ny fanambanin’ny ranomasina,+ ary nisaraka ny rano.+

  • Nomery 11:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Dia nisy rivotra nitsoka tampoka avy tamin’i Jehovah ka nitondra papelika avy tany an-dranomasina, ary nampilatsaka an’izany nanodidina ny toby.+ Niparitaka teny amin’ny manodidina rehetra teny ny papelika. Feno papelika daholo àry teo amin’ny ilany sy ilany amin’ny toby, hatrany amin’ny lalana iray andro teo ho eo, ary tokotokony ho roa hakiho* avy eo amin’ny tany ny haavony.

  • Jona 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia nataon’i Jehovah nifofofofo be ny rivotra teny amin’ny ranomasina. Lasa nisy tafio-drivotra be narahin’oram-baratra teny, ka saika vaky mihitsy ilay sambo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara