-
Levitikosy 6:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra varimbazaha:+ Ianareo zanakalahin’i Arona no hanolotra an’ilay fanatitra eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny alitara.
-
-
Levitikosy 7:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra noho ny heloka:+ Zavatra masina indrindra izany.
-
-
Levitikosy 10:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ny zanakalahin’i Arona sisa tavela, izany hoe i Eleazara sy Itamara: “Alaivo ny ambin’ilay fanatitra varimbazaha, avy amin’ny fanatitra natao tao anaty afo ho an’i Jehovah, dia anamboary mofo tsy misy lalivay. Ary hano eo akaikin’ny alitara izany,+ satria zavatra masina indrindra.+ 13 Hohaninareo ao amin’izay toerana masina* izany,+ satria anjaranao sy ny zanakao lahy avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, fa izany no didy nomena ahy.
-
-
Levitikosy 24:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Isaky ny Sabata no halahatra tsy tapaka eo anatrehan’i Jehovah ireo mofo.+ Fifanekena maharitra ela be ataony amin’ny Israelita izany. 9 Ho lasan’i Arona sy ny zanany lahy izany,+ ka hohanin’izy ireo ao amin’izay toerana masina,*+ satria zavatra masina indrindra ho an’ny mpisorona, avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Fitsipika tokony harahina foana izany.”
-