-
Ezekiela 40:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia nankeo amin’ilay vavahady mitodika miantsinanana+ ilay lehilahy, ary niakatra teo amin’ny tohatohatr’ilay vavahady. Ary norefesiny ny tokonana iray tamin’ilay vavahady, ka nirefy bararata iray ny sakany. Nirefy bararata iray koa ny sakan’ilay tokonana iray.
-
-
Ezekiela 44:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
44 Nentin’ilay lehilahy niverina teo amin’ny vavahadin’ny toerana masina aho, izany hoe ilay vavahady ivelany mitodika miantsinanana,+ kanjo nihidy ilay izy.+ 2 Dia hoy i Jehovah tamiko: “Hihidy foana io vavahady io. Tsy tokony hosokafana izy io, ary tsy hisy olona hiditra eo, satria i Jehovah Andriamanitry ny Israely no efa niditra teo,+ ka tsy maintsy hidiana foana io.
-