FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 23:31-34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Lasa mpanjaka i Joahaza+ tamin’izy 23 taona, ary nanjaka telo volana tany Jerosalema izy. Hamotala+ no anaran-dreniny, ary zanak’i Jeremia avy any Libna izy io. 32 Nanomboka nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah i Joahaza, hoatran’izay rehetra nataon’ny razambeny.+ 33 Nogadrain’i Farao Neko+ tao Ribla+ any Hamata izy, mba tsy hanjaka tany Jerosalema. Ary nampandoavin’i Farao sazy ilay tany, dia volafotsy 100 talenta* sy volamena iray talenta.+ 34 Ankoatra izany, dia nataon’i Farao Neko ho mpanjaka handimby an’i Josia rainy i Eliakima zanak’i Josia Mpanjaka, ka novany hoe Joiakima ny anarany. Nalainy kosa i Joahaza ka nentiny tany Ejipta,+ ary maty tany.+

  • 2 Tantara 36:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ankoatra izany, dia nataon’i Neko+ mpanjakan’i Ejipta ho mpanjakan’i Joda sy Jerosalema i Eliakima rahalahin’i Joahaza, ka novany hoe Joiakima ny anarany. Nalainy kosa i Joahaza rahalahiny, ka nentiny tany Ejipta.+

  • Jeremia 22:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “Fa izao no lazain’i Jehovah momba an’i Saloma*+ zanak’i Josia, dia ilay mpanjakan’ny Joda nandimby an’i Josia+ rainy sy niala teto amin’ity toerana ity: ‘Tsy hiverina atỳ intsony izy. 12 Fa ho faty any amin’ny toerana anaovana sesitany azy izy, ka tsy ho hitany intsony ity tany ity.’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara