-
Jeremia 3:6-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Hoy i Jehovah tamiko tamin’ny andron’i Josia+ Mpanjaka: “‘Hitanao ve ny nataon’ny Israely mpivadika? Miakatra eny amin’ny tendrombohitra avo rehetra sy eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra izy mba hivaro-tena.+ 7 Na dia efa nanao an’izany rehetra izany aza izy, dia nilaza taminy foana aho mba hiverina amiko.+ Tsy niverina anefa izy. Ary nojeren’ny Joda izay nataon’ilay rahavaviny mpivadika.+ 8 Rehefa hitako izany, dia noroahiko ny Israely mpivadika sady nomeko taratasy fisaraham-panambadiana+ satria nanitsakitsa-bady.+ Mbola tsy natahotra ihany anefa ny Joda, ilay rahavaviny mpivadika, fa lasa nivaro-tena+ koa.
-
-
Ezekiela 16:46, 47Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
46 “‘I Samaria+ no zokinao vavy, ary eo avaratrao* izy sy ny zanany vavy*+ no mipetraka. I Sodoma+ kosa no zandrinao vavy, ary eo atsimonao* izy sy ny zanany vavy+ no mipetraka. 47 Nanao hoatran’ny nataon’izy ireo ianao, sady nanao ny fanaony maharikoriko. Tsy vitan’izay anefa fa vetivety koa ianao dia nanao zava-dratsy mihoatra lavitra noho ny vitan’izy ireo.+
-