-
Isaia 23:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 I Jehovah Tompon’ny tafika no nanapa-kevitra hanao an’izany,
Amin’izay i Tyro tsy hirehareha noho ny hatsaran-tarehiny rehetra intsony,
Ary ho afa-baraka izay rehetra nomena voninahitra eran-tany.+
-
-
Ezekiela 28:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Ry zanak’olona, lazao amin’ilay mpitondra an’i Tyro hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
“Nirehareha ny fonao,+ ka miteny foana ianao hoe ‘andriamanitra aho.’
Milaza foana koa ianao hoe: ‘Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’andriamanitra aho, eny afovoan-dranomasina.’+
Olombelona ihany anefa ianao, fa tsy andriamanitra,
Na dia mieritreritra ny tenanao ho andriamanitra aza ianao ao am-ponao ao.
-
-
Ezekiela 28:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana ny mpanjakan’i Tyro, ka lazao aminy hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
-