-
Ezekiela 29:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 “Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Homeko an’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona ny tanin’i Ejipta,+ ka halainy ny harena ao. Dia haka babo be dia be izy sady handroba azy. Izany no ho karaman’ny tafiny.’
20 “‘Homeko ho karaman’izy ireo i Ejipta satria niasa mafy izy ireo rehefa nandrava azy.* Niasa ho ahy mantsy izy ireo’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.
-