-
Ezekiela 25:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Namaly faty i Edoma ka nasiany ny taranak’i Joda. Nanao fahadisoana lehibe izy rehefa namaly faty an’ireo.+ 13 Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hanatsotra ny tanako hamely an’i Edoma koa aho, ka horinganiko ny olona sy ny biby fiompy ao, ary hataoko lasa tsy misy mponina izy.+ Dia ho fatin’ny sabatra ny olona hatrany Temana ka hatrany Dedana.+
-
-
Malakia 1:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Miteny i Edoma hoe: ‘Nopotipotehina izahay, nefa hiverina ka hanorina an’ireo tanàna rava.’ Hoy anefa i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Izy ireo hanorina, fa izaho kosa handrava. Dia hantsoina hoe “tanin’ny faharatsiana” sy “vahoaka nomelohin’i Jehovah mandrakizay” izy ireo.+
-