-
2 Mpanjaka 25:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna,+ ka nitsoaka teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka, ny miaramila rehetra raha mbola alina ny andro. Mbola nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina tamin’izay. Dia nandeha tamin’ny lalana mankany Araba ny mpanjaka.+
-
-
2 Tantara 36:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+
-
-
Jeremia 39:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Noloahan’izy ireo ny mandan’ilay tanàna,+ tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Zedekia.
-