-
Estera 8:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Azonareo atao àry ny manoratra an’izay hitanareo fa mety mba hamonjena ny Jiosy. Ataovy amin’ny anaran’ny mpanjaka izany, ary tombohy amin’ny peratra fanombohan-kasen’ny mpanjaka. Tsy azo foanana mantsy izay efa nosoratana tamin’ny anaran’ny mpanjaka sy notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kaseny.”+
-
-
Daniela 6:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nikaon-doha daholo ny manam-pahefana eto amin’ny fanjakana, ny mpiadidy, ny lehibem-paritany, ny lehiben’ny tandapa, ary ny governora ka nifanaraka hoe aleo hasiana lalàm-panjakana mampanan-kery an’izao fandrarana izao: Izay manao fangatahana ato anatin’ny 30 andro, na amin’andriamanitra izany na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona.+ 8 Dia mba avoahy izany lalàna izany, ry mpanjaka ô, ka ataovy sonia+ mba tsy ho azo ovana, araka ny lalàn’ny Medianina sy ny Persianina, izay tsy azo foanana.”+
-