-
Deoteronomia 4:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 “Raha mitady an’i Jehovah Andriamanitrao anefa ianao any, dia tena hahita azy tokoa+ raha mitady azy amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.+ 30 Rehefa mitranga aminao daholo ireo zavatra voalaza rehetra ireo any aoriana any ka mafy be ny mahazo anao, dia hiverina amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony.+
-
-
Deoteronomia 30:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Hihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao mantsy ianao amin’izay fotoana izay, sady hankatò ny didiny sy ny lalàny voasoratra ato amin’ity boky misy ny Lalàna ity, ary hiverina amin’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.+
-