FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 2:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Niala tamin’i Jehovah ny Israelita, ary i Bala sy ireo sarin’i Astarta indray no nivavahany.+

  • Mpitsara 3:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Israelita sady nanadino an’i Jehovah Andriamaniny, ka nivavaka tamin’ireo Bala+ sy ireo tsato-kazo masina.*+

  • 1 Mpanjaka 16:30-32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mihoatra noho izay rehetra talohany,+ i Ahaba zanak’i Omry. 31 Hoatran’ny hoe tsy ampy azy ny nanao ny fahotana nataon’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, fa mbola nanambady an’i Jezebela+ zanakavavin’i Etibala mpanjakan’ny Sidonianina+ koa izy. Ary lasa nanompo an’i Bala+ izy ka niankohoka teo anatrehany. 32 Dia nanorina alitara ho an’i Bala izy, tao amin’ny tranon’i* Bala+ izay naoriny tao Samaria.

  • 1 Mpanjaka 18:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Koa vorio hankany amiko any amin’ny Tendrombohitra Karmela+ ny Israely rehetra. Vorio koa ny mpaminanin’i Bala 450 sy ny mpaminany 400 mivavaka amin’ny tsato-kazo masina,*+ izay samy misakafo eo amin’ny latabatr’i Jezebela.”

  • 2 Mpanjaka 17:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 2 Mpanjaka 17:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Tsy narahin’izy ireo intsony ny didy rehetra nomen’i Jehovah Andriamaniny, ary nanao sarivongana zanak’omby roa tamin’ny metaly*+ izy ireo sady nanao tsato-kazo masina.*+ Niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra+ koa izy ireo, ary nanompo an’i Bala.+

  • Hosea 2:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia hofaiziko izy satria nanokana andro hanaovana sorona ho an’ny sarin’i Bala.+

      Nihaingo izy tamin’izay ka nanao peratra sy firavaka, ary nanenjika an’ireny lehilahy niarahany ireny.

      Izaho anefa hadinony’,+ hoy i Jehovah.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara