-
Deoteronomia 8:17-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Raha mieritreritra ianao hoe: ‘Ny tanjako sy ny herin-tsandriko no nahazoako an’izao harena izao’,+ 18 dia tadidio fa i Jehovah Andriamanitrao no manome hery anao mba hahazoana harena.+ Tiany hotanterahina mantsy ilay fifanekena nianianany tamin’ny razambenao, hoatran’izao androany izao.+
19 “Fa raha sanatria manadino an’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ka manaraka andriamani-kafa sy manompo an’ireny sady miankohoka eo anatrehany, dia mampitandrina anareo aho anio fa ho ripaka tokoa ianareo.+
-