FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 7:6-8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Fa vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo, ary nofidin’i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.*+

      7 “Tsy hoe satria ianareo no maro an’isa indrindra amin’ny firenena rehetra dia miraiki-po aminareo sy nifidy anareo i Jehovah.+ Ianareo tsinona no vitsy indrindra amin’ny firenena rehetra.+ 8 Fa tia anareo kosa i Jehovah sady nanaja an’ilay fianianana nataony tamin’ny razambenareo.+ Dia izany no nahatonga an’i Jehovah hampiasa ny herin-tsandriny mba hitondrana anareo sy hanavotana anareo avy tany amin’ilay toerana nanandevozana anareo,+ dia avy teo ambany fahefan’i* Farao mpanjakan’i Ejipta.

  • 2 Mpanjaka 13:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Tsara fanahy tamin’izy ireo sy niantra azy anefa i Jehovah+ ka nikarakara azy ireo, noho ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba.+ Tsy tiany ho ringana izy ireo, ka tsy nariany tanteraka tsy ho eo anatrehany hatramin’izao.

  • Salamo 106:44, 45
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 44 Nahita ny fahorian’izy ireo anefa izy+

      Ary nandre ny antso vonjy nataony.+

      45 Nahatsiaro ny fifanekena nataony tamin’izy ireo izy,

      Ary niantra azy,* satria tena be fitiavana sy tsy mivadika.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara