-
2 Mpanjaka 17:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Nolaviny foana ny fitsipik’Andriamanitra, sy ny fifanekena+ nataony tamin’ny razambeny, ary ny fampahatsiahivana nomeny mba hampitandremana+ azy ireo. Ary nanompo sampy tsy misy dikany+ izy ireo, hoatran’ireo firenena nanodidina azy, ka lasa tsy nisy dikany+ koa. Efa nandidy azy ireo anefa i Jehovah mba tsy hanao toa an’ireny firenena ireny.+
16 Tsy narahin’izy ireo intsony ny didy rehetra nomen’i Jehovah Andriamaniny, ary nanao sarivongana zanak’omby roa tamin’ny metaly*+ izy ireo sady nanao tsato-kazo masina.*+ Niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra+ koa izy ireo, ary nanompo an’i Bala.+
-