-
Matio 12:39, 40Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
39 Dia namaly izy hoe: “Mitady famantarana foana ny taranaka ratsy fanahy sy mpanitsakitsa-bady,* nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ilay famantarana ny amin’i Jona mpaminany.+ 40 Fa hoatran’i Jona nijanona telo andro sy telo alina tao an-kibon’ilay trondro ngezabe,+ dia hoatr’izany koa fa ho ao an-kibon’ny tany telo andro sy telo alina ny Zanak’olona.+
-
-
Lioka 11:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Ary nihamaro ny vahoaka nitangorona, ka nanomboka niteny izy hoe: “Taranaka ratsy fanahy ity taranaka ity. Mitady famantarana izy, nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ilay famantarana ny amin’i Jona.+ 30 Lasa famantarana ho an’ny mponin’i Ninive mantsy i Jona,+ ka ho toy izany koa ny Zanak’olona ho an’ity taranaka ity.
-