-
Salamo 105:8-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Tadidiny mandrakizay ny fifanekena nataony,+
Ary tsaroany hatrany amin’ny taranaka arivo mifandimby ny fampanantenana nataony,*+
9 Dia ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama,+
Sy ilay fianianana nataony tamin’i Isaka.+
10 Nataony fitsipika ho an’i Jakoba io fianianana io,
Sady fifanekena maharitra ela be ho an’i Israely.
11 Fa hoy izy: “Homeko anao ny tany Kanana,+
Ho anjara lovanareo.”+
-
-
Asan’ny Apostoly 3:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Ianareo no zanaky ny mpaminany sy zanaky ny fifanekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny razambenareo,+ tamin’izy nilaza tamin’i Abrahama hoe: ‘Hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.’+ 26 Rehefa avy nanendry an’ilay Mpanompony Andriamanitra, dia tany aminareo aloha izy no nirahiny+ mba hahazoanareo fitahiana, ka hanampy anareo tsirairay hiala amin’ny zava-dratsy nataonareo.”
-