FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 22:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Novorin’ny mpanjakan’ny Israely àry ny mpaminany 400 lahy teo ho eo. Hoy izy tamin’izy ireo: “Handeha hanafika an’i Ramota-gileada ve aho, sa tsy handeha?” Dia hoy izy ireo: “Mandehana fa hataon’i Jehovah resinao ilay tanàna, ry mpanjaka!”

  • 1 Mpanjaka 22:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: “Mbola misy lehilahy iray any azontsika asaina manontany an’i Jehovah.+ I Mikaia zanak’i Jimla! Halako anefa izy+ satria tsy mba maminany zavatra tsara momba ahy mihitsy fa zava-dratsy foana.”+ Hoy anefa i Josafata: “Aza dia miteny hoatr’izany, ry mpanjaka ô!”

  • Isaia 9:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ny anti-panahy sy ny olo-manan-kaja no loha,

      Ary ny mpaminany mampianatra zavatra diso no rambo.+

      16 Ny mpitarika an’ity vahoaka ity ihany no mampirenireny azy,

      Ka sahiran-tsaina ny olona tarihiny.

  • Jeremia 6:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Samy maka tombony azo amin’ny tsy marina+ ny olona, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.

      Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+

      14 Miezaka manasitrana ny ratran’ny* vahoakako izy ireo nefa ataony zara fa vita izany, ka hoy izy ireo:

      ‘Fiadanana! Fiadanana!’

      Nefa tsy misy fiadanana akory.+

  • Ezekiela 13:2, 3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Ry zanak’olona, maminania hoe hisy loza hanjo an’ireo mpaminanin’ny Israely.+ Lazao amin’izay mamoromporona faminaniana*+ hoe: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah. 3 Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hahita loza izay mpaminany adala maminany an’izay ao an-tsainy fotsiny, nefa tsy nahita na inona na inona akory!+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara