4 Henoy tsara aho, ry vahoakako!
Mihainoa ahy, ry fireneko!+
Fa hisy lalàna havoakako,+
Ary ny fampiharako ny rariny no hataoko manazava ny firenena.+
5 Efa manakaiky ny fahamarinako.+
Efa ho tonga ny famonjena avy amiko,+
Ary ny sandriko no hitsara an’ireo firenena.+
Izaho no hantenain’ireo nosy,+
Ary ny sandriko no handrandrainy.