-
Jeremia 30:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko”, hoy i Jehovah,
“Ary aza mihorohoro, ry Israely ô!+
Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao,
Ary ny taranakao hovonjeko avy any amin’ny tany nahababo azy.+
Dia hiverina i Jakoba, ka hilamina sy tsy hisy hanakorontana.
Tsy hisy hampatahotra azy ireo.”+
-
-
Jeremia 33:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Hahafaly ahy ny anaran’ity tanàna ity, ary hahazo dera sy voninahitra eo anatrehan’ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany aho noho ny aminy. Handre ny soa rehetra hataoko amin’ny vahoakako+ mantsy izy ireny. Ary hihorohoro sy hangovitra+ izy ireny noho ny soa rehetra hataoko amin’ilay tanàna sy ny fiadanam-be homeko azy.’”+
-