-
Isaia 49:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Na dia ravarava sy tsy misy mponina intsony aza ny toerana nisy anao, ary simba ny taninao,+
Dia ho lasa tery loatra izany ka tsy ho antonona an’izay hipetraka ao,+
Ary ho lavitra be anao izay nandrapaka anao.+
20 Ary na ireo zaza teraka taorian’ny nahafatesan’ny zanakao aza dia hiteny aminao hoe:
‘Tery loatra ity toerana ity ka tsy antonona anay.
Omeo toerana malalaka eto izahay hipetrahanay.’+
-
-
Isaia 54:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
54 “Mihobia, ry vehivavy momba izay tsy niteraka!+
Mifalia sy mihobia+ ianao izay tsy mba narary nihetsi-jaza mihitsy!+
Fa ny zanaky* ny vehivavy nilaozam-bady,
Dia betsaka noho ny zanaky ny vehivavy manambady”,*+ hoy i Jehovah.
2 “Halalaho ny tranolainao,+
Ary henjano ny lamban’ny tranolainao be voninahitra.
Aza mihafihafy mihitsy rehefa manao an’izany, ary halavao ny tady manenjana ny lainao.
Hamafiso koa ny fantsika be fanenjanan-day.+
-