-
2 Tantara 14:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Nenjehin’i Asa sy ny miaramilany hatrany Gerara+ ny Etiopianina, ka maty niampatrampatra ary tsy nisy niangana intsony tamin’ny farany. Naripak’i Jehovah sy ny miaramilany mantsy izy ireo. Dia nitondra zavatra be dia be nataony babo ny Joda.
-
-
2 Tantara 20:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Koa nankeny amin’ny faty i Josafata sy ny vahoakany mba haka an’izay zava-tsarobidy teny. Nahita akanjo sy zava-tsarobidy ary zavatra hafa be dia be teny izy ireo, ka nendahany daholo ireny. Tsy nijanona izy ireo raha tsy efa tsy nahazaka intsony.+ Telo andro izy ireo nanangona sy nitatitra ny zavatra azo babo satria be dia be ilay izy.
-