-
Nehemia 8:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia hitan’izy ireo voasoratra tao amin’ny Lalàna ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy, hoe tokony hipetraka ao anaty trano rantsankazo* ny Israelita mandritra ny fety amin’ny volana fahafito.+ 15 Tokony hampandre+ ny olona manerana ny tanànany rehetra sy eran’i Jerosalema koa izy ireo, ka hilaza hoe: “Mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra, dia makà rantsankazo be ravina avy amin’ny hazo oliva, sy hazo kesika, sy mirta, sy palmie, ary hazo hafa, mba hanaovana trano rantsankazo araka izay voasoratra.”
-