FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 44:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Izaho Ilay manatanteraka ny tenin’ny mpanompoko,

      Sady manatanteraka amin’ny an-tsipiriany an’ireo faminaniana lazain’ny olona irahiko.+

      Izaho koa Ilay miteny momba an’i Jerosalema hoe: ‘Honenana izy’,+

      Ary momba an’ireo tanànan’i Joda hoe: ‘Haorina indray ireny.+

      Haveriko hoatran’ny taloha indray izay toerana efa rava tao.’+

  • Jeremia 30:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Izao no lazain’i Jehovah:

      “Hiverina any amin’ny tranolain’i Jakoba aho, ka hanangona an’ireo babo+

      Sy hiantra an’ireo tranolainy.

      Haorina indray eo amin’ilay havoana nisy azy ilay tanàna,+

      Ary ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy ilay tilikambo voaro mafy.

  • Ezekiela 36:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Hataoko lasa be dia be ny vahoakanao, izany hoe ny taranak’Israely manontolo, dia izy rehetra mihitsy. Dia hisy hipetraka ao amin’ireo tanàna,+ ary haorina indray ireo toerana efa rava.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara