FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 33:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Jereo i Ziona, ilay tanàna fanaovantsika fety!+

      Ho hitan’ny masonao i Jerosalema, izay fonenana milamina,

      Dia tranolay tsy hafindrafindra.+

      Tsy hotsoahana mihitsy ny fantsika be fanenjanan-day eo aminy,

      Ary tsy hisy hotapahina ny tadiny.

  • Jeremia 31:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Hiara-monina ao daholo ny Joda sy ny olona ao amin’ny tanànany rehetra, anisan’izany ny tantsaha sy ireo mpandroaka biby fiompy.+

  • Jeremia 33:10, 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Eto amin’ity toerana lazainareo hoe ngazana tsy misy olona na biby fiompy ity, izany hoe ao amin’ireo tanànan’i Joda sy ny lalan’i Jerosalema izay tsy misy olona na mponina na biby fiompy, dia mbola handrenesana 11 feon’olona mifaly sy miravoravo,+ feona mpampakatra sy ampakarina, ary feon’ireo olona milaza hoe: “Misaora an’i Jehovah Tompon’ny tafika fa tsara+ i Jehovah. Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay!”’+

      “‘Hitondra fanatitra fisaorana ao an-tranon’i Jehovah+ izy ireo, satria hampodiko izay mponin’ity tany ity lasa babo ka ho lasa toy ny taloha izy ireo’, hoy i Jehovah.”

  • Zakaria 8:4, 5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Hipetrapetraka eny amin’ny tany malalaka ao Jerosalema indray ny lehilahy sy vehivavy zokiolona. Samy hitondra tehina izy ireo satria efa be taona.*+ 5 Ary ho feno ankizilahy sy ankizivavy milalao ny tany malalaky ny tanàna.’”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara