-
Ezra 3:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa, taorian’ny nahatongavan’izy ireo teo amin’ny tranon’ilay tena Andriamanitra tany Jerosalema, dia nanomboka an’ilay asa i Zerobabela zanak’i Sealtiela, sy Jesoa zanak’i Jozadaka, sy ny rahalahin’izy ireo hafa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra babo+ ka niverina tany Jerosalema. Notendren’izy ireo ho mpanara-maso ny asa tao an-tranon’i Jehovah ny Levita 20 taona no ho miakatra.
-
-
Ezra 3:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Ary nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Jehovah ny mpanorina.+ Dia nijoro teo mba hidera an’i Jehovah ny mpisorona sy ny Levita taranak’i Asafa, araka ny toromarik’i Davida mpanjakan’ny Israely. Nanao akanjona mpisorona ny mpisorona tamin’izay sady nitondra trompetra,+ fa ny Levita kosa nitondra kipantsona.+
-
-
Ezra 5:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Navoakan’i Kyrosy Mpanjaka avy tao amin’ny tempolin’i Babylona koa ny fitaovana volamena sy volafotsy tato amin’ny tranon’Andriamanitra. Efa nalain’i Nebokadnezara tato amin’ny tempolin’i Jerosalema ireny, dia nentiny tany amin’ny tempolin’i Babylona.+ Nomena an’i Sesbazara*+ ireny, dia ilay lehilahy nataon’i Kyrosy governora.+
-