FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 40:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Dia ento eo akaikin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana avy eo i Arona sy ny zanany lahy, ka sasao amin’ny rano.+

  • Eksodosy 40:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Hosory toy ny nanosoranao ny rainy izy ireo,+ mba hanaovany ny asan’ny mpisorona eo anatrehako. Noho izany fanosorana izany, dia ho afaka hanao ny asa fisoronana foana izy ireo, hatramin’ny taranany fara aman-dimby.”+

  • Nomery 3:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “Asaivo manatona ny fokon’i Levy,+ dia asaivo mijoro eo anatrehan’i Arona mpisorona mba hanampy azy.+

  • Nomery 18:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa ny Levita no hanao ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana, ary izy ireo no hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny vahoaka.+ Ary tokony hanaraka an’izao fitsipika izao foana ianareo sy ny taranakareo fara aman-dimby: Tsy hahazo lova eo amin’ny Israelita ny Levita.+

  • Ezekiela 44:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “‘Hanatona ahy kosa ny Levita mpisorona taranak’i Zadoka+ mba hanompo ahy. Niandraikitra ny toerako masina mantsy izy ireo rehefa nanalavitra ahy ny Israelita.+ Dia hijoro eo anatrehako izy ireo mba hanolotra ny tavin-kena+ sy ny ra’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 16 ‘Izy ireo no hiditra ao amin’ny toerako masina, ka hanatona ny latabatro* mba hanompo ahy.+ Dia hanao ny andraikiny amin’ny fanompoana ahy izy ireo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara