FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 7:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “Rehefa ampidirin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa halainao ho anao ianao,+ dia horoahiny hiala eo aminao koa ireto firenena be mponina ireto:+ Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita,+ ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ izany hoe firenena fito be mponina sady mahery noho ianao.+

  • Deoteronomia 7:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Aza manao fifanarahana* aminy, ka hoe omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy.+

  • Mpitsara 3:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Noho izany, ny Israelita dia niara-nipetraka tamin’ny Kananita,+ ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita. 6 Dia nalain’ny Israelita ho vady ny zanakavavin’izy ireny, ary ny zanany vavy kosa nomeny ho vadin’ny zanakalahin’izy ireny. Ary lasa nivavaka tamin’ny andriamanitr’izy ireny ny Israelita.+

  • 1 Mpanjaka 11:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tia vehivavy maro avy tamin’ny firenen-kafa+ anefa i Solomona Mpanjaka, ankoatra an’ilay zanakavavin’i Farao:+ Vehivavy moabita,+ amonita,+ edomita, sidonianina,+ ary hetita.+ 2 Izy ireny dia avy tamin’ireo firenena nolazain’i Jehovah tamin’ny Israelita hoe: “Aza mankany* amin’ireny ianareo, ary ireny koa tsy tokony hankatỳ aminareo, fa tena ho voatariny hanaraka ny andriamaniny ny fonareo.”+ Niraiki-po tamin’izy ireny anefa i Solomona sady tia azy ireny.

  • Nehemia 13:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fantatro koa tamin’izany fa nisy Jiosy nanambady* vehivavy asdodita+ sy amonita ary moabita.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara