-
Deoteronomia 14:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Toy izany koa ny kisoa, satria mivaky kitro ireny, saingy tsy mandinika. Maloto aminareo ireny. Aza hanina ny henany, ary aza kasihina ny fatiny.
-
-
Lioka 8:31-34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Niangavy azy foana ireo mba tsy hanome baiko azy ho any amin’ny lavaka mangitsokitsoka.*+ 32 Ary nisy kisoa+ be dia be nandrasana teo amin’ilay tendrombohitra. Koa niangavy an’i Jesosy ireo demonia mba havelany hiditra tao amin’ireo kisoa ireo, dia nekeny izany.+ 33 Dia nivoaka tamin’ilay lehilahy ireo demonia, ka niditra tao amin’ireo kisoa. Ary nirifatra nankeny amin’ny hantsana* ilay andian-kisoa, dia nivarina tany amin’ny farihy ka maty an-drano. 34 Rehefa nahita an’izay nitranga ireo mpiandry kisoa, dia nandositra ka nitantara an’izany tao an-tanàna sy tany ambanivohitra.
-