FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Malakia 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Halefako ilay olona irahiko, dia hanomana ny lalana halehako izy.+ Ary ho avy tampoka ao amin’ny tempoliny+ ilay tena Tompo tadiavinareo. Ho avy koa ilay iraky ny fifanekena izay mahafinaritra anareo. Ho avy tokoa izy”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • Matio 3:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Izy, raha ny marina, ilay nolazaina tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany+ hoe: “Izany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah!* Ataovy mahitsy ny lalany.’”+

  • Marka 1:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Izao no nosoratan’i Isaia mpaminany: “—Halefako mialoha anao* ilay olona irahiko, izay hanomana ny lalanao.+—

  • Lioka 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Handeha eo alohany* koa izy sady hanana ny toe-tsaina* sy ny herin’i Elia,+ mba hamerenany ny fon’ny ray ho hoatran’ny fon’ny zanaka,+ ary mba hanampiany an’ireo tsy mankatò ho hendry amin’izay ataony hoatran’ny ataon’ny olo-marina. Amin’izay izy dia hanomana vahoaka ho an’i Jehovah.”*+

  • Jaona 3:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Ianareo mihitsy no vavolombelona fa efa niteny aho hoe: ‘Tsy izaho no Kristy,+ fa nirahina hialoha azy fotsiny aho.’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara