-
Lioka 11:24-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 “Rehefa mivoaka avy ao amin’ny olona iray ny fanahy maloto, dia mamakivaky toerana karakaina mba hitady toerana hialana sasatra. Ary rehefa tsy mahita izy, dia miteny hoe: ‘Andeha hiverina any amin’ilay trano nialako aho.’+ 25 Rehefa tonga izy, dia hitany fa efa voafafa madio sady voaravaka ilay trano. 26 Dia lasa izy maka fanahy fito hafa ratsy noho izy. Dia miditra izy ireo ka mijanona ao. Koa ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny hiafaran’ilay olona.”
-