-
Marka 6:1-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Niala teo izy ka tonga tao amin’ny faritra niaviany,+ ary nanaraka azy ny mpianany. 2 Rehefa tonga ny Sabata, dia nanomboka nampianatra tao amin’ny synagoga izy. Ary gaga ny ankamaroan’ireo nihaino azy, ka niteny hoe: “Taiza koa no nianaran’io an’izany?+ Fa ahoana no nahazoany an’izany fahendrena izany, ary ahoana no ahavitany fahagagana hoatr’izao?+ 3 Angaha tsy io ilay mpandrafitra+ zanak’i Maria,+ sady rahalahin’i Jakoba+ sy Josefa sy Jodasy ary Simona?+ Ary angaha moa tsy eto amintsika ny anabaviny?” Dia tsy nety nino azy* izy ireo. 4 Hoy anefa i Jesosy: “Ao amin’ny faritra niaviany sy eo amin’ny havany ary ao an-tranony ihany ny mpaminany no tsy mba hajaina.”+ 5 Koa tsy afaka nanao fahagagana tao izy, afa-tsy ny nanasitrana marary vitsivitsy rehefa nametra-tanana tamin’ireny. 6 Tena gaga izy hoe tsy nino azy izy ireo. Ary nandeha nitety ny tanàna teny amin’ny manodidina izy, sady nampianatra.+
-