-
Marka 6:53-56Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
53 Rehefa tonga teny ampita izy ireo, dia tonga tao Genesareta ka nandatsaka vatofantsika tsy lavitra teo.+ 54 Vao niala tao an-tsambokely anefa izy ireo, dia fantatry ny olona i Jesosy. 55 Dia nihazakazaka nanerana an’ilay faritra ny olona. Dia nentina tamin’ny fandriana nankany amin’izay nahenoana hoe nisy an’i Jesosy ny olona marary. 56 Na taiza na taiza no nidiran’i Jesosy, na tanàna kely na lehibe, na tany ambanivohitra, dia napetraky ny olona teny an-tsena ny marary. Ary niangavy izy ireo mba havela hikasika ny mikiramborambo amin’ny morontongotry ny akanjony ivelany fotsiny.+ Dia sitrana daholo izay nikasika an’ilay izy.
-