-
Marka 8:13-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ary nilaozany ireo ka nankao anaty sambokely indray izy, dia nankeny ampita.
14 Nanadino nitondra mofo anefa ny mpianatra, ka tsy nanana afa-tsy mofo iray izy ireo tao amin’ilay sambokely.+ 15 Ary nampitandrina azy ireo mazava tsara i Jesosy hoe: “Mbà mailo ary mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny lalivain’i Heroda.”+ 16 Nanomboka niady hevitra àry izy ireo satria tsy nitondra mofo. 17 Tsikaritr’i Jesosy izany, ka hoy izy tamin’ireo: “Maninona no mampiady hevitra anareo ilay ianareo tsy nitondra mofo? Mbola tsy takatrareo sy tsy azonareo ihany ve? Mbola donto ve ny fonareo ka tsy azonareo ny dikan’izany? 18 ‘Mana-maso ve ianareo nefa tsy mahita, ary manan-tsofina nefa tsy mandre?’ Tadidinareo ve 19 tamin’izaho nanapaka mofo dimy+ ho an’ny lehilahy 5 000? Nahafeno harona firy ny sombintsombiny voangonareo?” Dia hoy ireo taminy: “Roa ambin’ny folo.”+ 20 “Ary tamin’izaho nanapaka mofo fito ho an’ny lehilahy 4 000? Nahafeno sobika lehibe* firy ny sombintsombiny voangonareo?” Dia hoy ireo taminy: “Fito.”+ 21 Ary hoy izy tamin’izy ireo: “Mbola tsy azonareo ihany ve ny dikan’izany?”
-