-
Marka 14:32-36Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Ary tonga tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Getsemane izy ireo. Dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Mipetraha eto fa izaho handeha hivavaka.”+ 33 Nentiny niaraka taminy i Petera sy Jakoba ary Jaona.+ Dia nanomboka nalahelo be sy nitebiteby be izy. 34 Hoy izy tamin’izy ireo: “Tena malahelo be aho izany,+ hoatran’ny efa ho faty. Mijanòna eto dia miareta tory.”+ 35 Ary nandroso kelikely izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nanomboka nivavaka mba tsy hiatrika an’izany ora izany, raha azony natao. 36 Dia hoy izy: “Aba,* Ray ô,+ hainao ny zava-drehetra. Esory amiko ity kaopy* ity, nefa aleo tsy izay tiako no hatao, fa izay tianao.”+
-