-
1 Tesalonianina 2:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Fa efa nanahaka an’ireo fiangonan’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy Jesosy any Jodia ianareo, ry rahalahy. Nijaly noho ny nataon’ny mpiray tanindrazana+ aminareo mantsy ianareo, hoatr’azy ireo koa izay mijaly noho ny ataon’ny Jiosy. 15 Novonoin’ny Jiosy hatramin’i Jesosy Tompo+ sy ny mpaminany aza, ary nenjehiny koa izahay.+ Tsy mampifaly an’Andriamanitra koa izy ireo, ary tsy mahasoa an’iza na iza ny zavatra ataony.
-