-
Marka 15:45-47Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
45 Rehefa avy naka toky tamin’ilay manamboninahitra àry i Pilato, dia nekeny hoe homena an’i Josefa ilay faty. 46 Rehefa avy nividy lamba rongony tena tsara i Josefa, dia nampidininy ilay faty ka nofonosiny tamin’ilay lamba rongony tena tsara, dia napetrany tao amin’ny fasana+ iray nolavahana tao amin’ny vatolampy. Nanakodia vato teo am-baravaran’ilay fasana izy avy eo.+ 47 Fa i Maria Magdalena sy Maria renin’i Josesy kosa mbola nijery foana an’ilay toerana nametrahana ny fatin’i Jesosy.+
-