FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 1:1-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 1 Ny boky mirakitra ny tantaran’i* Jesosy Kristy,* zanak’i Davida,+ zanak’i Abrahama:+

       2 I Abrahama niteraka an’i Isaka;+

      Isaka niteraka an’i Jakoba;+

      Jakoba niteraka an’i Joda+ sy ny rahalahiny;

       3 Joda niteraka an’i Pereza sy Zera+ tamin’i Tamara;

      Pereza niteraka an’i Hezrona;+

      Hezrona niteraka an’i Rama;+

       4 Rama niteraka an’i Aminadaba;

      Aminadaba niteraka an’i Nasona;+

      Nasona niteraka an’i Salmona;

       5 Salmona niteraka an’i Boaza tamin’i Rahaba;+

      Boaza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota;+

      Obeda niteraka an’i Jese;+

       6 Jese niteraka an’i Davida+ Mpanjaka;

      Davida niteraka an’i Solomona+ tamin’ny vadin’i Oria;

       7 Solomona niteraka an’i Rehoboama;+

      Rehoboama niteraka an’i Abia;

      Abia niteraka an’i Asa;+

       8 Asa niteraka an’i Josafata;+

      Josafata niteraka an’i Jorama;+

      Jorama niteraka an’i Ozia;

       9 Ozia niteraka an’i Jotama;+

      Jotama niteraka an’i Ahaza;+

      Ahaza niteraka an’i Hezekia;+

      10 Hezekia niteraka an’i Manase;+

      Manase niteraka an’i Amona;+

      Amona niteraka an’i Josia;+

      11 Josia+ niteraka an’i Jekonia+ sy ny rahalahiny, tamin’ny fotoana nandefasana ny Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona;+

      12 Jekonia niteraka an’i Sealtiela tany Babylona;

      Sealtiela niteraka an’i Zerobabela;+

      13 Zerobabela niteraka an’i Abihoda;

      Abihoda niteraka an’i Eliakima;

      Eliakima niteraka an’i Azora;

      14 Azora niteraka an’i Zadoka;

      Zadoka niteraka an’i Akima;

      Akima niteraka an’i Elihoda;

      15 Elihoda niteraka an’i Eleazara;

      Eleazara niteraka an’i Matana;

      Matana niteraka an’i Jakoba;

      16 Jakoba niteraka an’i Josefa vadin’i Maria, ary Maria niteraka an’i Jesosy,+ izay antsoina hoe Kristy.+

      17 Ny taranaka rehetra nanomboka tamin’i Abrahama ka hatramin’i Davida àry, dia nisy 14; ary nanomboka tamin’i Davida ka hatramin’ny fotoana nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona, dia 14; ary nanomboka tamin’ny nanaovana sesitany azy ireo tany Babylona ka hatramin’i Kristy, dia 14.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara