-
Matio 9:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao. Hisintona be mantsy ilay tapa-damba, dia handrirotra an’ilay akanjo ka vao mainka hitatra ny rovitra.+ 17 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Raha izany mantsy, dia ho vaky ilay siny hoditra ka ho raraka ny divay ary ho simba ny siny. Fa atao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao, ka samy tsy simba na ny siny na ny divay.”
-
-
Marka 2:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao. Raha izany mantsy, dia hisintona be ilay tapa-damba ka handrirotra an’ilay akanjo, dia vao mainka hitatra ny rovitra.+ 22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Raha izany mantsy, dia hamaky an’ilay siny ilay divay ka samy hafoy na ny divay na ny siny. Fa atao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao.”
-