-
Matio 1:21-23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Hiteraka zazalahy izy, ary ataovy hoe Jesosy* ny anarany,+ satria izy no hamonjy ny fireneny ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo.”+ 22 Nitranga tokoa izany rehetra izany mba ho tanteraka ilay nolazain’i Jehovah* tamin’ny alalan’ny mpaminaniny hoe: 23 “Hisy virjiny ho bevohoka ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Imanoela.”+ Raha adika izany dia hoe: “Manampy Antsika Andriamanitra.”+
-