-
Marka 8:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Ary niala teo i Jesosy sy ny mpianany ka nankany amin’ireo tanàna any Kaisaria-Filipo. Teny an-dalana, dia nanontaniany ny mpianany hoe: “Iza, hono, aho raha ny filazan’ny olona?”+ 28 Dia hoy ireo taminy: “Jaona Mpanao Batisa.+ Misy koa anefa milaza hoe Elia,+ dia misy miteny hoe ny iray amin’ny mpaminany.”
-
-
Lioka 9:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Taorian’izay, tamin’izy nivavaka irery, dia tonga teo aminy ny mpianatra ka nanontaniany hoe: “Iza, hono, aho raha ny filazan’ny olona?”+ 19 Hoy ny navalin’izy ireo: “Jaona Mpanao Batisa. Misy koa anefa milaza hoe Elia, ary misy miteny hoe ny iray amin’ny mpaminany taloha efa nitsangana tamin’ny maty.”+
-