FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 17:22, 23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Rehefa tafavory tao Galilia izy ireo, dia hoy i Jesosy: “Efa hisy hamadika ny Zanak’olona dia hatolotra eo am-pelatanan’ny olona.+ 23 Hovonoiny ho faty izy, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.”+ Dia nalahelo be izy ireo.

  • Marka 9:31, 32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 satria te hampianatra ny mpianany izy. Dia niteny taminy izy hoe: “Efa hisy hamadika ny Zanak’olona dia hatolotra eo am-pelatanan’ny olona, ka hovonoiny ho faty.+ Na maty aza anefa izy, dia hitsangana rehefa afaka telo andro.”+ 32 Tsy azon’ireo anefa izany teniny izany, ary natahotra ny hanontany azy izy ireo.

  • Lioka 18:31-33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Dia nentiny nihataka kely izy 12 Lahy, ka hoy izy: “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary ho tanteraka daholo izay rehetra nosoratan’ny mpaminany momba ny Zanak’olona.+ 32 Hatolotra amin’ny hafa firenena,+ ohatra, izy ary hihomehezany+ sady halany baraka ary hororany.+ 33 Dia hokaravasiny ny Zanak’olona, ary avy eo dia hovonoiny ho faty.+ Hitsangana anefa izy amin’ny andro fahatelo.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara