-
Asan’ny Apostoly 1:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
1 Ilay fitantarana voalohany nosoratako, ry Teofilo, dia momba ny zava-drehetra nataon’i Jesosy sy nampianariny hatrany am-boalohany,+ 2 ka mandra-pahatongan’ny andro nampiakarana azy ho any an-danitra.+ Nampiakarina izy rehefa avy nanome toromarika tamin’ny alalan’ny fanahy masina an’ireo apostoly nofidiny.+
-
-
1 Timoty 3:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary tena lehibe ny zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra: ‘Nofo+ i Jesosy rehefa naseho, fa fanahy+ kosa izy rehefa nambara hoe marina. Niseho tamin’ny anjely izy,+ notorina teo amin’ny hafa firenena,+ ninoana tetỳ amin’izao tontolo izao,+ ary noraisina tamim-boninahitra tany an-danitra.’
-