-
Matio 11:21-23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Hoy izy: “Hahita loza ianao, ry Korazina! Hahita loza ianao, ry Betsaida! Raha tany Tyro sy Sidona mantsy no nanaovana an’ireny fahagagana natao tao aminareo ireny, dia ho efa ela ry zareo no nibebaka ka nanao akanjo gony sy nihosina lavenona.+ 22 Lazaiko aminareo fa ho mora kokoa ny hanjo an’i Tyro sy Sidona amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo anareo.+ 23 Ary ianao, ry Kapernaomy,+ ianao ve dia hasandratra hatreny amin’ny lanitra? Hidina any amin’ny Fasana* aza ianao!+ Raha tany Sodoma mantsy no nanaovana an’ireny fahagagana natao tao aminao ireny, dia ho mbola teo ilay tanàna hatramin’izao.
-