31 Nanomboka nampianatra azy ireo koa izy hoe tsy maintsy hampijalijalina ny Zanak’olona, ka holavin’ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina ho faty,+ ary hitsangana rehefa afaka telo andro.+
31 satria te hampianatra ny mpianany izy. Dia niteny taminy izy hoe: “Efa hisy hamadika ny Zanak’olona dia hatolotra eo am-pelatanan’ny olona, ka hovonoiny ho faty.+ Na maty aza anefa izy, dia hitsangana rehefa afaka telo andro.”+
22 Hoy koa izy: “Tsy maintsy hampijalijalina ny Zanak’olona ka holavin’ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina ho faty,+ ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.”+