-
Matio 19:16-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary iny nisy tovolahy nanatona azy, ka niteny hoe: “Mpampianatra ô, inona ny zavatra tsara tsy maintsy ataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay?”+ 17 Dia hoy i Jesosy: “Maninona ianao no manontany ahy momba an’izay tsara? Iray ihany no tsara.+ Raha te hahazo fiainana anefa ianao, dia ankatoavy foana ny didy.”+ 18 Dia hoy ilay tovolahy: “Inona avy izany?” Dia hoy i Jesosy: “Ny hoe: Aza mamono olona,+ aza manitsakitsa-bady,+ aza mangalatra,+ aza mijoro ho vavolombelona mandainga,+ 19 hajao ny rainao sy ny reninao,+ ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”+ 20 Dia hoy ilay tovolahy: “Efa narahiko daholo izany, ka inona no mbola mila ataoko?” 21 Ary hoy i Jesosy taminy: “Raha te ho lavorary* ianao, dia mandehana amidio ny fanananao ary omeo ho an’ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao.+ Ary andao hanara-dia ahy.”+ 22 Nalahelo anefa ilay tovolahy rehefa naheno an’izany ka lasa. Be dia be mantsy ny fananany.+
-