-
Matio 21:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo ka tonga tao Betifaga, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesosy.+ 2 Hoy izy: “Mandehana ao amin’irỳ tanàna kely irỳ. Tonga dia hahita ampondra mifatotra miaraka amin’ny zanany ianareo ao. Vahao ireo dia ento atỳ amiko. 3 Ary raha misy manontany anareo, dia teneno hoe: ‘Misy ilan’ny Tompo azy.’ Dia tonga dia halefany ireo.”
-
-
Marka 11:1-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema sy Betifaga ary Betania,+ izay teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, izy ireo, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy.+ 2 Hoy izy tamin’ireo: “Mandehana ao amin’irỳ tanàna kely irỳ. Vao tafiditra ao ianareo, dia hahita zanak’ampondra mifatotra, mbola tsy nitaingenan’olona mihitsy. Vahao ilay izy dia ento atỳ. 3 Ary raha misy milaza aminareo hoe: ‘Fa maninona io no vahanareo?’, dia lazao hoe: ‘Misy ilan’ny Tompo azy, fa tonga dia haveriny eto ihany rehefa avy eo.’” 4 Dia lasa izy ireo ary hitany ilay zanak’ampondra nifatotra teo akaikin’ny varavarana, teo ivelany teo amin’ny lalankely, ka novahany.+ 5 Nisy tamin’ireo olona nijoro teo anefa niteny hoe: “Fa maninona no vahanareo io zanak’ampondra io?” 6 Dia ilay notenenin’i Jesosy mihitsy no nolazain’ny mpianatra tamin’ireo, ka navelany handeha izy ireo.
-