-
2 Tantara 36:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.
-
-
Hebreo 11:36, 37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Ny hafa kosa notsapaina ka nesoina sy nokaravasina, ary tsy izany ihany fa nofatorana rojo vy+ sy nogadraina+ koa. 37 Notoraham-bato+ izy ireo, notsapaina, notsofana hizara roa, novonoina tamin’ny sabatra,+ nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy,+ sady tsy nanana na inona na inona sy niaritra fahoriana+ ary nampijalina.+
-